Tsy misy toa anao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny angolan-teninao
ny angoti-teninao
toa hafa toy izany
tsisy mpanana eto tany

ny tsikitsikinao
ny sangisanginao
toa tsy manampaharoa
toa mahafinaritra avokoa

ny hantahantanao
ny tambitambinao
toa hafa tena hafa
tsy mety voafafa

toa tsy misy toa anao
izay hitako rehetra
fa toa feno any aminao
ilay hatsarana tsisy fetra

tsy misy toa anao
fa toa ianao irery
no manana an'izao
endrika anjely
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
459 5
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115