Tsy sahy (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy sahy

Raha vao iny ianao ka hitako
dia nidobodoboka be ny foko
niantso anao aza tsy ho vitako
fa taitra loatra aho ka nitokoko

torovana aho tsy naha-teny
anefa te nambaroka izay ao am-poko ao
toa te hilaza aminao ombieny
hoe tiako loatra ianao

ka izaho anefa tsy sahy
fa toa miahotrahotra
ny ato am-poko toa manahy
ny izaho koa toa matahotra

ka natanjahako re ny saiko
izay manendry sy mibaiko
ny vavako mba hiteny
hiteny aminao ireny

ka dia tsy mety mihintsy
fa nankarary ahy sy nikiky
ny ati-fanahiko rehetra
izay tsy sahy ny hametra
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
909 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119