Vali-babena (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Valim-babena

ianao ry neny malala
kitapo faran'ny tsara
ianao ry dada tsy foiko
masoandro iray ato am-poko

niakindrindrina irery
dia ianao anie ry neny
nivesatra, no nibaby
nahatonga ahy tomady

nifoladamosina ianao ry neny
noho ny fitiavanao
tsy nisasatra niteny
sy nividy kilalao

ianao ry dada malala
nitady vola, nikarama
mba hamelomanao anay
nandadilady nikolay

tsy nitsahatra niteny
tsy nitsahatra nananatra
nitaiza anay ombieny
nihinana ilay ahitra

mba ho vali-babena
ho hatolotro azy ireny
dia ny fahendrena
ho an'i dada sy i neny
--------
Rohy:
1325 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012