Veloma farany (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Veloma farany

Lanitra manga no tazako teo
Vetivety foana nanjombona maloka
Toa ora-mikija fiavin'ny toreo
No injay nanatona ahy sy manalokaloka

Hay ka ianao no nanao be fiavy
No nahatondra-drano nanimba ireo voly
Izaho nitanondrika nandraiky nanavy
Tsy nisy namihana aho ka dia ngoly

Toy ny tadio sy rivo-mahery
Nampihintsana ireo ravin-kazo
Ny filazanao hoe handao ahy irery
Tsy nisy mpanondraka ireo vonin-kazo

Toy kotroka arahim-baratra
No nilazao hoe tapitra hatreo
Toy ny lohataona sy fahavaratra
Miovaova ny fitiavanao

Izay ilay ora farany nahitako anao
Izay ilay veloma farany nataonao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1371 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163