Veloma ry 2017 (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Veloma ry 2017

toa mandalo ihany kay
ilay taona anan-kiray
izay tsy mitoetra ho doria
hay tsy toy ny fitia

misy anefa no maniry
hiaraka aminy mandrakizay
mba nahatsapa sy nitsiry
ilay fitia, fitia iray

nefa nanao dify dia vita
iny taona iny dia tsy hita
fa na mamy aok'izany
dia veloma, hatreo ihany

ny taona izay nifanesy
toa nandalo dia niserana
izay tsy misy fetsifetsy
mba hoe haharitra, hitoerana

koa volama indray ary
ry taona diva hifarana
ho fitahian'ilay nahary
mba hanadino ilay anarana

ilay anaranao hoe
fito amby folo sy roa arivo
ka hisolo vavao be
ho valo amby folo sy roa arivo
--------
Rohy:
887 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116