Vita tantara (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vita tantara

Raha ianao no lasa?
Mahazo mandeha tsara
Izaho tsy handatsa
Fa ny antsika efa tsy anjara

Raha ianao no handeha?
Mandehana fa tsy terena
Koa mialatsiny re
Ary aza manantena

Miala ianao fa tsy fefena
Fitia tsy azo hifanerena
Raha izay no tinao atao
Ka tanterao ny hevitrao

Miala ianao fa tsy tamana
Etsy ary mandehana
MahitĂ  izay tena tsara
Hataonao anjara

F'izaho hibanjina ny ho avy
Ary koa tsy hiangavy
Miandry izay tiana vaovao
Hahasolo anao

Ianao koa moa efa tsy anjara
Ka ho faranako ary ny tantara
Rahampitsoa aho dia hahita
Fa ny antsika roa dia vita

Koa veloma ianao ka hadinoy
Ny anarako re mba vonoy
Aza mahatsiaro ahy akory
Fa manorisory

Veloma ianao ka fafao
Fa izaho tsy tia anao
Aleo ho tsoriko amin'izay
Fa rehefa izay ny ahy dia izay
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana - Fitiavana
1242 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0166