Voadonam-pitia (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voadonam-pitia

Indray andro tamin'izay
No indro tovolahy iray
Tazako avy ao aoriana
Nibanjina ahy mangina
Tsy ela akory teo ihany
Tazako avy etsy lavitra
Tovovavy mahafinaritra
No nitsena azy miramirana
Hay ve ka i Vohirana
Ilay namako tsy foiko
No niserana nisoko
Niaraka amin'ny tiany
Dia ilay tovolahy hitako iny
Ka ireny izy roa fa lasa
Izaho moa efa nidify
No nihomehy sy nitsiky
Nifosafosa azy roa kely
Nihazo an'ilay hotely

Folo andro taty aoriana
Dia tazako indray izy roa
Falifaly sy sambatra tokoa
Nofahiko tanana i Vohirana
No nanantona aho no miramirana
Koa tazako tamin'izay
Ilay endrik'ilay tovolahy
Hay i Ranto ilay olon-tiako
Koa indro dia nodifiako
Niantsoantso ahy i Vohirana
Teo aho vao faly sahirana
Lasa aho nirintona mafy
Namonjy izany fodiana
Tena tsy tantiko mantsy
Ny nahita an'ilay olon-tiana
Eny an-tanan'olon-kafa
Teo ny saiko vao vaka
Namadika ahy ilay malalako
Ilay niriako ho anjarako
Fa dia namako izao ihany
No rafivaviko ry tany
Tsy nampoiziko tokoa
Hoe vitanareo roa ve?
Dia tapitra teo ny anay
Nofy ilay mandrakizay

Enim-bolana taty aoriana
Nitia olon-kafa ny foko
Nanalako ireo toloko
I Rado no tiako vaovao
Tovolahy tsara fanahy
Koa tsy ananako ahiahy
Fa nitia tamin'ny fo tokoa
Ka hiara-dia izahay roa
Eny ny faniriana ny doria
Ho mandramaty ilay fitia
Roa taona izay no niarahana
Maro ireo sendra nolalovana
Tsy misaina izay fisarahana
Fa eny samy nanaiky
Fa na lavitra na akaiky
Dia ho tia anao foana
Na oviana na inona fotoana
Kanjo...
Tsy nampoiziko no niseho
Nampirafy ahy i Rado
Dia mbola i Vohirana ihany
No rafivaviko tamin'izany
Ilay niriako hanala ny ratrako
No avy nandratra ahy indray
Namotipotika ny fanahy
Very toky aho
Ka tsy natoky lehilahy intsony
Fa nangataka tamin'ny Ray ao ambony
Izay tena anjara ho sahaza ahy
Hampatoky tsy hampanahy
Fa niandry izay ho anjara sisa
Miandrandra mba ho paradisa
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2456 9
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139