You are here: home > Vetso

Voady mariazy - Nalison Randrianaivo

Voady Mariazy

Eto anatrehan'Andriamanitra
Sy ny tany sy ny lanitra
Fa Izaho dia manaiky anao
Ho vady andefimandriko
Mandrakizay doria
Ka tolorako ity
Peratra ny fitia
Pera-mariazy
Fa tsy hanao vazivazy

Fa vonona hitia anao
Na amin'inona na inona
Ary tsy mba ho lao
Tsy hanao tsinontsinona

Vonon-kanaja anao
Eny, Fa na ho vy na ho vato
Dia Izaho tsy hianto
Hitia sy hanaja anao
Ary hipetra aminao irery ihany
Mandrampialako eto an-tany

Ity no ataoko porofo
Ho atolotro anao
Fa fitiavana tsy miofo
Tsy mora mankalao
Volamena sarobidy
Tsy hatakalo na hamidy
Ny fitiavako anao

Ity peratra volamena
Dia afoiko sy ekena
Fa ianao no efa laniko
Ho ravakin'ny tokantranoko
Ka tolory ny tananao
An-kavia re hatao
Hanatsofahana ity
Peratra anao ity
Ka manomboka izao
Dia Vadiko ianao

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha