Kintana nandalo (Nanour)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fifaliana
Hakiviana
Mifandimby anatiko ao

Haravoana
Fahazotoana
Hatramin'ny nahalalako anao

Kinta-maro
Mifangaro
Hitako avy lavitra ao

Saingy sento tokana
No ahatsiarovako anao
Izay ao amoron-dranomasina ao

Satria noho ny halavitana
Ny anjara sy ny vintana
Tsy natao ho ahy sy anao

Ka nahatonga ahy handao
Ilay fitiavana vaovao
Tsy nozaraina taminao.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana - FITIAVANA
1506 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nanour
Nampiditra : Nanour
Daty : 13/10/2004 18:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098