You are here: home > Vetso

Ny ho avy - Nantto

Mandranta faneva hiantorahana
Manamboara fanilo hamirantana
Mibanjina johary hisandratana
Manamboara ho avy hamantanana

Miambena izay noharina
Mazotoa toy ny riana
Mandrosoa amy rehetra
Mivonona hisedra ny rehetra

Manangona hery maharitra
Miaingoa hary maharitra
Misehoa mikendry amin-kery
Mijoroa mirija f’aza mihery

Asandrato ny maha izy
Aza avela hiafina izy
Arindrao ny tontolo
Aza avela ho bobongolo

Hametraka hevitra

Midira aloha