ny herin'ny fitiavana (narasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY HERIN'NI FITIAVANA

Misy hery iray
Miafina any ho any
Mahaosa ny fanahy
Mampirotsaka tomany

Ny herin'ny fitiavana
ilay hery tsy hita maso
mahavatra mampiavana
mandresy ny ankaso
fa misy herin'ny fitiavana
tsy mba herimpiavanana
ka manimpy an-tany ngazana
dia io lay herim- pisarahana
tsy mifidy ora sy fotoana
ny tamberina sy tsiahy
injao manako foana
ilay mampalemy ny fanahy
mandalo ihany anefa iano
ry herim-pisarahana
ka ambarako eto izao
fa tena mahery ny fitiavana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1627 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : narasoa
Nampiditra : narasoa
Daty : 18/04/2015 15:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141