Hanoratra aho (narovantsoa rak)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hanoratra aho

Matoa aho manoratra
dia misy tia-kambara
Ataoko fa tsy hisy hanohitra
na hoe tsy tia angaha! Ka handrara?

Hanoratra aho mba hilaza
na ny ao am-po , na ny ao an-tsaina
Hitsikera, hidera ary koa ankalaza
Ny hafaliana sy ny sento ary koa ny taraina

Mbola hanoratra aho, hiventso ihany koa
Ireo kolotsaina ombam-pahendrena
Satria maro mantsy, miha vosa tokoa
Ireo hetaheta , sy ireo zava-kendrena…





Nrovantsoa Rak
--------
Rohy:
752 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : narovantsoa rak
Nampiditra : Narovantsoa rak
Daty : 07/08/2017 09:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106