NISAFIDY IANAO NY HAMELA (Nasandratra Ny Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NISAFIDY IANAO NY HAMELA

Eny sombiniana,
Satria hoy ianao hoe : tsy misy tombon-tsoa
ny hitahiry heloka hananako fahavalo
Ary maika aza hankarary an-doha
ny hiandry azy hifona handohaliko, himalo
indrindra hoe izy toa tsy rototra… !,
Dia nisafidy ianao ny hamela
Tsy hoe fahalemena
Fa izany mihitsy aza iky no tena fahendrena
Manasitrana ny ao anaty
na dia nampangasihasy
Ny lasa tsy hay takonana...
Fa kosa ianao miavaka : Nisafidy hamela tsy niandry hoe ifonana.

Satria koa azonao izany fahorian-tsaina
Itambesara-nenina tsy ahitany tory
Vesatra ho anao ny mitazana azy mangaina
Ifandrotehin-datsa, milahatra amin’ny ory
Toa sasatra izy ny mandositra…. !
Dia nisafidy ianao ny hamela
Tsy fanambanian-tena
Fa izay mihitsy ianao.. Antra sy Onena,
mankahala valifaty
fa manolon-tanana aza ary vonona ny hanampy
Ny lasa tsy ho voafafa...
Fa kosa ianao miavaka : Tsy misaina hitana heloky ny hafa.

Satria tsaroanao ilay niady irery tany Golgota
nisolo ahy sy ianao..nizaka izao sy izao
nefa tsy mba nanota
Ny tenany ilay fanatitra tokana sy indray mandeha
Nifona amin'Ray,tsy hivatanatsika any amin’ny afobe
fonenan’ireo fositra… !
Dia nisafidy ianao ny hamela
Ka ny marina no aoka ho ekena :
Fa hetahetanao koa ny hitory aminy, ilay famonjena.
Ny lasa tsy ho adino...
Fa kosa ianao miavaka : Mitoetra ho fitaratra hoan'ireto zandrinao Mpino.

Nasandratra Ny Aina
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
860 1
Mpakafy: vahiny55
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nasandratra Ny Aina
Nampiditra : vahiny55
Daty : 02/01/2018 06:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136