Fanafody (Nasolo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manirery fa lavitra ny akany
Misentosento foana fa te hitomany
Lavitra anareo ka manin-te hody
Ny alaheloko aty tsy sitram-panafody

Mba manao ahoana 'zay Ikaky sy Ineny
f'izaho aty mangina tsy mba misy mpiteny
Mba manao ahoana koa ny havana rehetra
fa ny aty mangina tsy mba misy mpitsetra

lavitra anareo ka singany irery
Eny, na dia sitra-poko aza fa tsy natao an-tery
Izay mantsy no hany hitako hahasambatra anareo
sy hanonerako ny ditrako hifarana hatreo

Mafy ho ahy tokoa kanefa niriako ihany
fa fanafody ho anareo hahafoana ny tomany
Noho ireo hadalana niriotra tsy voatanako
ka nankararirary fo anareo rehetra havako

Izaho irery sisa no miatrika ny fiainana
Lavi-kavana mantsy tsy mba misy hitarainana
koa mitodika aminao ry Ray be fitia
Izay namindra fo sy ontsa 'ty nania

Sarobidy amiko ny fitiavanao ahy
fa na solafaka aza aho, ianao mbola nitahy
Nankahery ahy hatrany, naninjitra ny tanana
ka nitantana ny dian'ity mpanota very lalana

Ianao Andriamanitra no nampitraka ny lohako
Ianao no nanohitra ireo rivotra tsy tohako
Koa misaotra anao aho ry Tompo tena tia
Masina ny anaranao, Masina amiko doria.
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1222 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nasolo
Nampiditra : emmy
Daty : 19/08/2004 15:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142