You are here: home > Vetso

TSY IANAO IRERY.... - natiora narda

Tsy ianao irery akory no vorona ao an'ala
Ka andehanan'ny mpizaha amin'ny andro mamanala
Na mampifaly ny tantely ,ka tsy ahitana tory
Sanatria re e!....tsy ianao irery akory

Tsy ianao irery akory no vorona azo alaina
Ka andehanan'ny mpizaha amin'ny andro vao maraina
Fa mbola ao ny domoina,ao ny rainilovy
Mbola tsara noho ianao,fa tadidio sy tsarovy


Tsy ianao irery akory no hazan-drano ao an-dobo
Ka andehanan'ny mpanjono amin'ny andro maizim-bolana
Fa ao ny amalona,ao ny kobokobo
Samy mbola azo alaina amin'ny andri sy ny volana

Mombamomba

Mpanoratra : natiora narda

Nampiditra : natioranarda
Daty : 20/01/2019
Mpamangy : 414
Mankafy : 2
Ankafizo

Tononkalo hafa

LASA IZY....
MANODIAVA

Hametraka hevitra

Midira aloha