aza manadino (Nat'urel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any ianao tsy hitako
Any lavitra any
Mampisinda ny tomany
Nefa lavitra tsy hitako
...
Aza manadino ry malala
Fa sanatria raha hoe hiala
Fa ny voady izay natao
Tsy rendrika atramin izao
...
Ka na any lavitra any
Dia aza mitomany
Fa ny fo mifanakaiky!
Dia dia efa nifanaiky
Ka ny elanelan-tany tsy haharava
Ny zavona hanarona hisava!
Ary ny lalam-pitiatsika hazava!
...
Ka ny fandrika hamingana hanjavona!
Ny havoana izay manakona hiravona!
Satria ilay fotsika miaradia
Ka ny voadin izy ireo dia ho doria!
....
Ka matokisa ry hasambarako!
Fa ho soratako aminao ny tantarako.
Ka ho toizatsika roa miaraka!
Ka na ao ampasana aza tsy hisaraka!
....
Ka aza manadino raha lavitra aza!
Fa ny fotsika miara-dia lalan-dava!
Ary ny voady no hamafiso.
Ka ho tanteraka ny fikasana rahampitso.

Mikalo f'tia nat'urel
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2567 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nat'urel
Nampiditra : mikalofitia
Daty : 23/11/2015 04:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152