kisendrasendra ve? (Nat'urel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Kisendrasendra ve ilay fihaonatsika?
Fa toa nofohananao daholo ny karazana hatsika!
Ny alahelo sy tomany!
Ny karazan-jaly rehetra!
Nivoaka tany tokotany!
Ka hafaliana tsy voafetra!
Fa toa tampoka tsy nampoizina
Ilay fihaonana toa kisendrarendra!
Ka nahatonga ahy hanizingizina!
Fa tsy tia rendrarendra.
Fa ho atolotro ho anao
Ny fitiavana hananako
Ka hafoiko izaho
Izay mety ho eto an-tanako.
Ka aza manahy na dia kisendrasendra
Ho anao irery izany ary hampilendalenda
Izany fonao ny miaraka amiko
Ka ny fonao koa tsy hindramiko!
Fa hitoerako mandrakizay.
Ka hatambatra ho iray
Eny ambony alitara
Ho voatso-drano ny zanaka amapara
Ka haharitra tokoa!
Ity tokatrano tena soa.

Mikalo f'tia nat'urel
--------
Rohy:
1530 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nat'urel
Nampiditra : mikalofitia
Daty : 23/11/2015 04:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143