tsy anjara (Nat'urel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa niezaka nitia aho
Nefa rava fa tsy haiko
Fa izaho no tsy anjaranao
Dia mionona ny saiko.
....
Tsy ditrako angamba!
Tsy hadalako ihany koa.
Fa ilay fitiavako tsy jamba.
Fa natory ka nifoha.
.....
Dia niantsampy tany ankafa!
Ka nanadino anao tsinahy.
Ka ny anaranao voafafa
Fa nosoloko hafa indray.
....
Dia aza homena tsiny
Fa tsy anjara ny antsika!
Rava izy ankehitriny.
Fa ilay afo nangatsika.
.....
Aza atao hoe diso aho
Fa nandrava ilay voady.
Tsy afa-miaraka izaho sy ianao
Fa any ankafa indray mitady.
....
Ny masoko dia adala.
Mitily atsy sy aroa.
Ka nahita tsaratsara.
Akanga lafatra sy soa.
.....
Dia mandehana ianao
Manaova toa ahy hatrany.
Mitadiava vaovao
Fa ny railovy lafatra any ho any.

Mikalo f'tia nat'urel
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
4145 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nat'urel
Nampiditra : mikalofitia
Daty : 23/11/2015 04:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095