Andro sisa (ngou)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andro sisa....

toa sembanin-drahona ny fiainako
tsy misy masoandro mety hampifoha
toa lasa ny heritreritro
iza indray ny ho namako

nodimandry ianao
lasa ka nandao
namela ahy ho irery eto an-tany
ianao toa lasa irery
izaho toa tena very
io no lahatr'Andriamanitra fitiavana

indrisy irery aho ankehitriny
ianao efa lasa any @ iny lanitra iny
toa lasa ny heritreritro
iza indray no ho namako

nodimandry ianao
lasa ka nandao
namela ahy ho irery eto an-tany
ianao toa lasa irery
izaho toa tena very
io no lahatr'Andriamanitra fitiavana

nanatena anao ho eo foana lava izao
io no tsy afaka ato an-tsaiko
fahatsiarovana sisa ny taloha
io no tena tsy ho tantin'ny fo
nanantena foana lava izao
ny hitoetra eo anilanao

ka hiezaka aho ny hanadino
hanavao indray ny fiainako
amin'ny ANDRO SISA hiainako
--------
Rohy:
2606 1
Mpakafy: ngou
Hevitra mandeha
sazykely ( 19/12/2007 06:29)
aza adinoina azny izy fa tsarovy lalandava ny mamy niarahanareo!!! hanampy anao hitraka ireny
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ngou
Nampiditra : ngou
Daty : 03/02/2004 17:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133