You are here: home > Vetso

Hambom-poko - ngou

Raha izay
Nitiavao anao izay
Dia tsy hita ho lazaina
Fa na dia ho simba aza ny tontolo
..........'Lay fitia dia tsy mba ho maina

Tsy hitako anefa
Izay mba setriny
Tsy nahazo aho
Na dia ny am-pahefany
Tsy mba nafoinao ho ahy akory
Fa nohidinao ny fonao
............Hatory

Very ianao eny very
Veloma f'izaho kosa andeha irery
Ho adinoiko ianao eny ho adinoiko
F'izany
.........no hambompoko

Very aho sanatria moa izany
Aleoko mangina ary mitraka hatrany
Ho adinoiko ianao eny ho adinoiko
f'izany
........no hambompoko

Mombamomba

Mpanoratra : ngou

Nampiditra : ngou
Daty : 28/01/2004
Mpamangy : 1278
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

Andro sisa

Hametraka hevitra

Midira aloha