MATY AHO (NIAINA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maty aho fa tsy hiteny intsony
Efa iny ny Anjely eny ambony
Maty aho fa tsy hiteny intsony
Ireo tantarako rehetra avalony

Maty aho fa tsy hiteny intsony
Ireo zanako ireo mba velomy
Maty aho fa tsy hiteny intsony
Ireo momba ahy ajanony

Maty aho fa tsy hiteny intsony
Mahereza zareo aza kivy
Maty aho fa tsy hiteny intsony
Voatendry fa tsy mba safidy

Maty aho fa tsy hiteny intsony
Any ankoatra indray aho no hidy
Maty aho fa tsy hiteny intsony
Mafaitra sy tena mangidy

Maty aho fa tsy hiteny intsony
Tsy ho hitanareo eto intsony
Maty aho fa tsy hiteny intsony
Io varavarako io akatony
NIAINA
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
787 0
Hevitra mandeha
Avotra09 ( 21/11/2018 10:59)
Tena sarobidy amiko ny fitsikeranao ny asa soratro
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NIAINA
Nampiditra : Avotra09
Daty : 21/11/2018 10:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009