Fitiavana sy soratra (Nikalo Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mazana vao mitafa
Dia endrikin'ny soratra ny teny fambaboana
Mazana sora- masina fa entina hamamoana
Ny fon'ny olotiany
Mba entiny handaharana fitia tsy manan-tsiny

Mizara teny roa
Mazana feno loatra ihany koa ny ambom-po
Ka entina fitaovana handrotsiana kalokalo
Ambaboina tsara ny fitia tsy tiana handalo
Fa tiana hitoetra foana
Mazana tahak'izany no hita manoloana
Manatrika miantoraka
Dia ny fitambaran'ny fitiavana sy soratra..

Dia mazana miara miasa
Mifanampy tsara na ho eny na tsy tafa
ny resaka hifanaovanna....
--------
Rohy:
939 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nikalo Kanto
Nampiditra : kanto01
Daty : 06/02/2019 10:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099