You are here: home > Vetso

tsy hampaninon'azy - Nikalo Kanto

Tsy hampaninona azy ny fandaozanao ny fony
fa ampy manontolo ny toloko rehetra nisy
Tsy hampaninona azy ny tsy ahita anao intsony
Fa feno kosa ny aminy ,hatreo ny teny indrisy

Fa tsy hampanino koa no tsy hampanenin'azy
Raha ny vitany rehetra, nataony t@fo
Fa tsy hampiverina azy, raha izay fitia kivazivazy
Na tsy hisy hitia intsony izato fony na ho lo

Ary tsy hampandresy azy raha fitia adaladala
Tsy ampiova ny ambom-pony noho ny ratra ao anatiny
Tsy resim-pakivina fa toky anjorom-bala
No nasetrinao ny fony ,nandrotika tsy tantiny

Mombamomba

Mpanoratra : Nikalo Kanto

Nampiditra : kanto01
Daty : 16/05/2018
Mpamangy : 337
Mankafy : 2
Ankafizo

Tononkalo hafa

Tso drano
Embona
Fahatsiarovana

Hametraka hevitra

Midira aloha