Degany (Nikopol)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Degany




Mihazakazaka eny an-tsefaky ny rahona
Ny soavaly dia.
Fitiavana sy setroka…
Tsemboka ny vatanao eo amboniko,
Tovovavy mainty tsara tarehy :
Fanorona.


Manao
Sangodim-panina ny onjan-dranomasina.
Diavolana mibaliaka,
Mitepo ny foko !
Any ho any,
Misy alika mitomany valala…
Ianao manoroka ahy tahaky ny liona,
Izaho miandry ny farandro….
Sariaka…





Nikopol ( taona XXIV, planety akaikain'i G-Venus)

* karazana asa-soratra mivelatra ity, tsy misy fitsipika mifehy azy akoatry ny fihetseham-po....
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - fiainana
1209 3
Mpakafy: Arimalala - nikopol - kally
Hevitra mandeha
nikopol ( 16/11/2004 11:39)
Asa-soratra azo vakiana avy any aoriana koa izy io ho an'izay te-hanandrana !
bichette ( 16/11/2004 17:52)
aoka re marina e !
Miarantsoa ( 17/11/2004 08:29)
Tena midegany marina 'nareo e ?
zakilinina ( 18/11/2004 00:33)
Manimba ny hasin'ny serasera ity !
nikopol ( 18/11/2004 10:12)
Zakilinina soa ihany fa planety samy hafa no ianantsika fa mety nahafinaritra no ninamana taminao !

yonikafopl ( 18/11/2004 22:25)
hihihihi aleo mimeme
nyeja ( 20/11/2004 07:08)
samy manana ny fomba fijery azy ny olona rehetra izaho kosa ry nikopol dia tsy hilaza fa degany ity sangan'asa ity satria dia nanandrana namaky azy amin'ny fijery hafa aho ka azoko an-tsaina ny aingam-panahy namoronan'ny mpanoratra azy, ary sahiko ny milaza fa ny degany dia mety hanana endrika ambadika ihany koa ... sao lasa any amin'ilay planeta tsy ambarambara fa dia ny azo lazaina dia tsara e hoy ny artista tahaka anao.
Ny Eja
nikopol ( 22/11/2004 11:40)
Ny eja !
Merci ! tout simplement merci !
Yoni mahasalama ny mimeme !
nyeja ( 22/11/2004 19:26)
ary toa niteny frantsay niko ?tsy misy fisaorana an efa tsara dia torahana voninkazo e na dia atao hoe "degany" aza ny lohateny hihihi

nikopol ( 29/11/2004 20:25)
Nikopol misaotra an'i Ny eja zany e!
sady mankasitraka koa ny asa-soratr'i Ny eja
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nikopol
Nampiditra : nikopol
Daty : 16/11/2004 11:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145