Andrasako ianao (Nikopol)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andrasako ianao.



Raha mbola misy irika,
Hahafako mandrevy,
Higoaka nofy hafa
Anaty masonao…


Raha mbola misy toerana,
Sombin-tany kely,
Ho nosin’ny fitiavana
Mety ho ahy sy ho anao...


Dia ...
Andrasako ianao...


Andrasako madiva,
Na dia efa iva :
Masoandro am-para-tazana....


Andrasako tsy raho,
Raha toa ka mbola ao
Ilay hetsi-ponao, azoko hotazana ...


Raha mbola misy voa,
Tsiaron’ireo memy,
Afaka hafafy :
Ny ho avy - lohataona ...


Raha mbola misy sela,
Singan’herinaratra,
Afaka mireny
Handresy ny fotoana ...


Dia...
Andrasako ianao...


Andrasako tsy miahotra,
Raha toa ianao matahotra
Ireo sangodimpaniko ...


Andrasako tsy rototra,
Satria tsara fototra
Ny aminao sy ny amiko...

...

Andrasako ianao,
Raha misy fahanginana
Tsy maintsy hizoranao...


Andrasako ianao,
Tsy ho hisy hanombinana
Ireo vaikako aminao...

Satria?

Satria ianao no tiako
Ry namana tsy foiko,
Tokana ao am-poko...


Andrasako ianao,
Andrasako amin’izao...


Nikopol-J
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
2029 0
Hevitra mandeha
Sohitika ( 23/04/2008 19:45)
Tsara be ny miandry olo-tiana, tsy miandry tambiny fa miandry satria tia fotsiny.Mankasitraka ny tononkalonao.Sohitika
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nikopol
Nampiditra : nikopol
Daty : 12/01/2007 08:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142