Ny Farany (Nikopol)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny farany



Ny samboko efa fefika, ny antsoko malemy,
Iza no hahatakatra ny fara-faniriako?
Ny volana efa jamba, ny vetsoko manjeny,
Ny onja toa mahery hamarana ny diako.


Ny rivotra manala, ny saiko miampita,
Manonja ny alahelo fa tokana sy irery.
Ny samboko efa rendrika, naniry ny ho tafita,
Nihoatra nefa indrisy, ny avotra efa very.


Izao ny fahanginana no tonga anatiko ato,
Mandrotsy toy ny nofy ny hiran’ny tadidy.
Ireo vetsovetsom-poko, ireo orana tsy miato,
Mandredrika ny sambo mitondra ny mangidy.


Ho aiza ny fanahy ? nahoana no mangina ?
Nofy sa tadidy no sisa manontany ?
Ho aiza ny fanahy ? hamonjy fifaliana ?
-Tsy fantatra, tsy fantatra, kanefa dia tomany.


Ny masoko toa jamba, sa haizina mameno?
Ny lasa moa nankaiza ? – alina nahoana ?
Ny hirahiram-poko, ny masoko efa feno,
Toa saham-pitsaharana no tonga manoloana.


Tomany ny fanahy, tomany koa ny nofo.
Mihiaka famonjena : iza no hamaly ?
Miverina ao an-tsaina dia injao mitorajofo :
Ny hiranay fahiny, ny hiranay omaly.


Ny akony no reako mitamberina eny,
Ny akon’ny andro lasa, ny sarin’ny tsiaro.
Indreo fa mialoalo nefa tsy miteny,
Ny ako sa ny feony ? - toa efa mifangaro


Ireo kintan’antsinanana : nankaiza moa ny tarany ?
Ny hoditro manala, ny vatako mangovitra.
Kotroka sa tselatra : aiza moa ny farany ?
No fara-kotrokotroka no tonga mampiovitra.


Ny samboko efa rendrika, ny antsoko malemy,
Ny onja toa mahery hivimbina ny farany.
Ny avelom-pahanginana toa tsinjoko eny ho eny
Mitondra ny kalisin’ny fara-ankasomparany.


Ny fahafatesana aza no tonga ampikoro,
Ny nofoko malemy, ny nofiko efa ho rava.
Ny tonokaloko aza no tonga horohoro,
Mihika mitalaho - mitady ny mazava.


Mangina ny fanahy, mangina koa ny alina,
Ny samboko efa fefika, ny laiko efa rovitra.
Aiza ho aiza moa ? - efa tena lalina -
Vahotra ny saina, ny nofoko mangovitra.


Ho rava ny akany, hilaozako ny nofo,
Ny nofinofiko aminy, ny hiranay omaly,
Injao fa miha-malemy miova sady miofo
Tonga dobok’onja mangina sy mifaly.




Nikopol-J
--------
Rohy:
1668 0
Hevitra mandeha
pissoa ( 22/09/2006 18:40)
Inn njay ty loza be lazain'niko. Hihihi
NyKanto ( 22/09/2006 22:02)
Maizina tanteraka izy izany!!!

Mirary Fahazavana rehefa vita ny farany...

Ny Kanto
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nikopol
Nampiditra : nikopol
Daty : 22/09/2006 15:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153