You are here: home > Vetso

Raha tia ahy ianao - Nikopol

Raha tia ahy ianao



Tsy ho reko fipatraka
Ny orana mifafy,
Ny alaviran-dalana
Tsy tsapako hoe ahoana ...

Ireo mety havizanana,
Tsy ataoko hanakana ahy,
Hiketrika fiarahana,
Tsy resin’ny fotoana ...

Raha tia ahy ianao ...

...

Raha tia ahy ianao ...
Dia ...

Hery tsy hita lany,
Hanamboarako akany,
Ho an’ilay fitia ...

Angola tsisy fatra,
Tosy tsy omby tratra,
Eto ka hatrary ...

Raha tia ahy ianao,
Na inona hidona,
Na inona hitranga,
Io lanitr’io ho manga…

Ny aiko sy ny saiko,
Izay zavatra mba ahiko,
Ho anao tsy aki-hamba.

Raha tia ahy ianao...
F’izaho tia anao...  



Nikopol -j

  



Hevitra mandeha

Iony (16/03/2007 18:21:50)

zany marina no tena tia an!tsara be fa tohizo e!!!

vololomanitra91 (17/12/2007 17:55:59)

tena tsra be ny tononkalonao!!! tena efa ao anatinao ny ainga-panahy mamorona tononkalo fa tohizo!!!! Mafinaritre!!!!

Hametraka hevitra

Midira aloha