Ny foko (Nirhy-Lanto)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy pika na vonim-boahirana
Nalaiko tanivo'ny kianjany,
Na felana hafa sy mirana
Ravahan'ny fanjany...

Manintona ireny kanefa
Halazo ka mora milefa !

Izay efa nambaran'ny peniko,
Ny rary mivoaka ny molotro,
Tsarovy ! ivelan'ny teniko :
Ny foko no atolotro !

Nibaiko an'izao teniko izao
Ny fo izay atolotro anao !

Mai 1949
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2511 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nirhy-Lanto
Nampiditra : booboo
Daty : 01/07/2004 10:49
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105