NY tena reny. (Nirhy-Lanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa ny reny dia nitohoka
tamin-drano tsy nilainy,
noho ny zaza tao am-bohoka:
dia ny tena sombinainy!

Ineny irery sisa raikitra,
raha nisy ray voalaza,
tsy nivonona hiandraikitra:
nahavatra nianga-jaza!

Na dia noho ny hatsembohany,
faly, lany mondron-kery,
dia ny reny no talohany
niankin-drindrin-tsamirery!

Nisy ray nanary zanaka,
fa ny reny, tena reny,
loharanon'ny taranaka,
sanatria, tsy mba voateny!

Nirhy-Lanto

(Nalaina tao anatin'ny boky rindrambolana nivoaka ny taona 1996)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavan-dreny.
2778 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nirhy-Lanto
Nampiditra : tslem
Daty : 16/10/2010 08:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144