Ny vehivavy (Nirhy-Lanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny olombelona rehetra dia torina fa mitovy,
Saingy misy kosa anefa mbola tia manavakavaka ;
Ireny no manora-tena toa voatango ka tsarovy,
Fa kiniaviny ny hafa mba hivarina any an-davaka.

Tsy ny tanjaka na hery, tsy ny volon-koditra aza,
Tsy ny vola sy harena fototry ny toetra miavona...
Izay mitory fitoviana, ireny akory tsy milaza
Fa ny tandra-na Nahary no sitrahiny hiravona.

Raha zo mifidifidy izay vinory hitafana,
Dia lazaina ankitsirano fa saroro nozavarina ;
Fa ny vavy sy ny lahy samy ambanin\'ny lalàna,
Ka ny zo no itoviana sady mampitovy marina.

Misy anefa fihamboniana an\'ny vehivavy irery,
Mampanjoko lehilahy na maradona, nofosona ;
Zovy moa no tsy haiky afa-tsy ny very jery :
Fa izy hany loharano sy kitapo nifonosana.

05 avrily 1995
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
4707 0
Hevitra mandeha
rivorijasoa ( 21/07/2004 08:53)
Miresaka momba ny fitovian-jo ho an'ny lehilahy sy ny vehivavy ity tononkalo ity. Tena tsara ny hevitrin'ny mpanoratra saingy efa mitovy zo ve ny lehilahy sy ny vehivavy amin'izao vanim-potoana hiainantsika izao?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nirhy-Lanto
Nampiditra : booboo
Daty : 01/07/2004 11:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136