Ranonorana (Nirhy-Lanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injay lasa tampoka izany nofiko,
Fa feo hafahafa no ren'ny sofiko,
Feon'ny fianjeran'ny ranonorana :
Mandresy ny akanga efa nanamborana ;
Feo mampanembona an-tanin'olona,
Feo mahakotsa ity fo vololona.

Endrey ! izany foko fadiranovana,
Misaina ilay tokana izay tsarovana ;
Ilay tokana may sy mba notiavina,
Toa manam-pitiavna kararavina ;
Ilay azoko nofy mamatonalina,
Toa faly hametraka ratra lalina.

Ny foko ê ry lahy, ny foko maratrako,
Ilay nofo mahantra ato anaty tratrako,
Na dia tsy maba lena za izany vatana
Manorana kosa eto am-panoratana !...
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1542 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nirhy-Lanto
Nampiditra : booboo
Daty : 01/07/2004 11:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103