Miandry anao (Nirina(hafahafa))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lasa izy, nidify namoy fo
Izaho sisa, miventso mangina
Izy lasa, nogejainy hambom-po
Sasa-miandry, feno hankivina

Indraindray, mamisavisa samy irery
Manembona, mahatsiaro ireo taloha
Nitsingerina ny andro, marina ilay teniny
Efa taona maro, indro vao hifoha

Ankehitriny taitra, tiko iverina ireo lasako
Aona hoy enao no ambarako azy manoloana?
Hifona, handohalika hitomany higogogo?
Hanadino lay fanamby, zary lasa fahadisoana?

3taona lasa zay, Izaho nanadino niova loko
Androany, nahatsiaro ireo hanihany sangisangy
3taona lasa zay, izy nalahelo nitomany nitoloko
Omaly Izy nitsiky, efa nahazo tambitamby

Neniko ny nandao,nampiseho fitiavan-tena
Miangavy ny hidiranao eto aminy Serasera
Aza arahina alahelo,fa efa neniko ny lasako
Ampidiro ho namanao fa izany sisa endrasako!!!!!!!!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1126 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nirina(hafahafa)
Nampiditra : hafahafa
Daty : 21/11/2014 12:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014