hanina anareo (njaf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ny hanina anareo
no nahatonga indray
ny peniko hikorisa
sy hamisavisa

ny hanina anareo
no nampifoha indray
reo vetsoko hiampita
sy ny ainga tsy hita isa

ny hanina anareo
no nampametsovetso
sy nampisentosento
ka nahatonga indray
ity peniko hikorisa
ity vetsoko hiampita
mba ho ainga ho anareo

fa ny hanina anareo
tsy mba haiko foanana
fa ireny ny ahy no namana


njaf 07/11/07
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1725 0
Hevitra mandeha
sitlo ( 13/03/2008 17:40)
dia nohaninareo
ilay sakafo be
efa ho ray seau
hoy i sitlo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : njaf
Nampiditra : njaf
Daty : 07/11/2007 08:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107