You are here: home > Vetso

mpinamana - njaf

fa na maro aza ireo elanelana misy
ny foko tsy miova fa manina foana
ka reo tebiteby iangaviako tsy hisy
fa tsy maintsy mihaona rehefa fotoana.
ny fahasalamana no ndeha angataho
am'ilay ao ambony zay nahary antsika
dia ny kisendrasendra no ndeha avelao
handamina indray ilay fihaonantsika.
dia fihaonana mamy no iriko ho tanteraka
sy hahafinaretana no hameno izany
ny masoandro mody no mety andreraka
sy irony hetraketraka maron'ny tany
" nefa isika tsy miova f’hinamana hatrany"
njaf 05/06/07

Sokajy : Aingam-panahy, embona

Hevitra mandeha

arihando (09/07/2009 11:45:31)

Tsara e, d misaotra, d irariana ho toy izany hatrany
d mirary soa ho anareo 3 hatrany koa
mazotoa

Zozoro (09/07/2009 15:13:17)

Mahafinaritra, mankasitraka.

tslem (10/07/2009 04:48:16)

Tsara loatra!

mirananirina (10/07/2009 13:56:11)

tohizo

ANJARA7 (11/07/2009 13:27:23)

mankasitraka de tohizo fona fa mahafinaritra

njaf (13/07/2009 16:15:59)

faly ny foko nahita ny hafatra
avy amin'ireo namana sy mpakafy
ka tonga tsy reraka sady tsy sasatra
fa miezaka hatrany ny hamaly fitia

koa dia mankasitraka sy mankatelina
fa sitraka indrindra NY TOHANAREO
ka teny mba tsotra sy famerimberina
saotra sy sitraka re ho anareo

fa raha mbola misy ny ainga
tsy ho foana ny sento
dia ny foko koa tsy hijanona hitempo


MISAOTRA E HIEZAKA FOANA AHO NOHO NY FAMPORISIHINAREO

Hametraka hevitra

Midira aloha