sitraka (njaf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hoe mafy ny saina
ka nikasa hanadino
ny lasa rehetra
kanefa ny foko
dia emboka ihany
ka tsy mety voafefy
dia tonga nalemy
lay nofo matanjaka
nangahiahy
kanefa nitraka
rehefa nangataka
tamin'ny fanahy
dia teo no tsaroako
fa ianao dia tsy maty
fa velona anaty

tononkalo nosoratako teo am-pahatsiarovana ilay zanako nodimandry 4 andro taorian'ny andro nahaterahany ary anarany ilay lohateny.
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
1384 0
Hevitra mandeha
tandry ( 06/11/2006 08:53)
MAHEREZA HATRANY FA Andriamanitra no tompony aina ny lasa tsy fanadino fa ny hoavy banjinina
njaf ( 06/11/2006 11:14)
misaotra an'i Tandry tamin'ny fankaherezana, misaotra fa tena namana ianao
arihando ( 02/07/2009 11:18)
izao aho vao nahita ity tonokalo ity, tsy hamoha fota-mandry re ry NjAF fa izao a, mahereza foana fa Andriamanitra tsy manome zavatra tsy zaka. marina fa tena mafy izany nefa efa nomeny solony mahafatifaty kely koa e
Maztou
njaf ( 09/07/2009 04:00)
misaotra indrindra arihando a, dia indro misy tonokalo hafa indray ary e,
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : njaf
Nampiditra : njaf
Daty : 31/10/2006 06:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141