ALEOKO IHANY ... (njafah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALEOKO IHANY ...

Aleoko ihany mbola zaza
Ilay be tomany lava
Mieritreritra lalao
Isan`andro vaky izao
Tsy mba manonofinofy
Voatsabo hatrany raha farofy
Ny alina matory tsara
I Neny koa mikarakara
Dia rehafa krismasy
Miova ilay nahandro gasy
Mahazo akanjo sy kiraro
Sy vatomamy maromaro
Tsy mahatsiaro fahoriana
Fa diboky ny hafaliana

Aleoko ihany mbola zaza
Mankato izay voalaza
Tsy vizaka miasa
Na be zavatra kinasa
Fa i Neny no mandamina
Ny tokatrano sy ny hanina
Tsy mba voateny mahery
Fa hoe mbola zaza kely
Tambitamby hatrany hatrany
Omena anao raha tomany
Dia ividianana izay tiana
Fa tena zanaka niriana
Aleoko ihany mbola zaza
Fitiavana mavesa-danja

Njafah
--------
Rohy:
1670 1
Mpakafy: katita
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : njafah
Nampiditra : njafah
Daty : 24/02/2007 07:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161