Sitrapon'iza? (Njaka)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SITRAPON'IZA?
(Atolotro an'i E...sy W...vao nanao Avortement 2mois izay)
Mampalahelo ?;;;;;

Miady be ny saina , mangoraka hoatr'izany
Inona ny atao , aleo aho hitomany
Hitomany samirery , misaona anao mangina
Satria nafoiko ianao , ho toy ny rano sina

Sitrapoko anefa izany, eny sitrapontsika roa
No namadika ny rasa ho kitoatoa
Natao tsy ampieverana , napetraka indrisy
Aloky ny tany no navelatr'ito lisy

Raha mba teo mantsy ianao , mety antsoiko hoe NEKENA
Ho feno fanamperana ny foko fahendrena
Nefa nofinofy izany , izay tsy azoko fantarina
Fa ny fahendreko mihitsy no lasa toa nivarina

Tonga ity ny fanenenana , raha mba teo mantsy ianao
Mety hiantso hoe Dada ,Neny , nefa asa lazao?
Nefa rariny ihany izany , raha toa ka nozohina
Fa ny fipetrahanao no zary toa tsy tiana

Ka hifonako ny lasa , mety ianao mba ahatsiaro
Fa ny fo voarasarasa , no lasa nifangaro
Fitiavana ireny , natao fa tsy nijoro
f'aza omena tsiny ity foko torotoro

Ireny rehetra ireny , raha mba fantatrao mantsy
Mba satriko aza ianao , mba hiantsampitsampy
Fa noho ny fahaterena avy amiko sy avy aminy
Dia nesorina ianao tamin'ny tsiky sy tomaniny

Ka raha teo tokoa mantsy ianao ,tsy ho asa angamba?
Ny nandraisana anao ary mety ho voron-damba
Ary ito Dada toa faly sy sahirana
Ka aleoko misafidy ny tena manahirana

Neny ange jereo tamin'ny nitondra anao
Tsy henonao ve ny fony mitalaho
Na ny tebiteby ,saina mikorontana
Dia taminao daholo no tena fanavotana

Dia omena tsiny ve i Dada
Dia omena tsiny ve i Neny
Mbola ho avy ny tena FANEKENY

Njaka (ziak'Art d'Erre)
Sept_2004
--------
Rohy:
Sokajy : Fahantrana - Alahelo - fiainana
4857 1
Mpakafy: Tiavina Nirina
Hevitra mandeha
booboo ( 26/11/2004 18:23)
iƩ mampalahelo satria malahelo koa zareo nefa " Dia omena tsiny ve i Dada / Dia omena tsiny ve i Neny ".
chipie1 ( 28/11/2004 16:57)
mampalaelo be le izy!!!
jeroma ( 29/11/2004 08:44)
Mampalahelo tokoa fa indrisy e, izay no vaha-olana hitan'izy roa
NyKanto ( 29/11/2004 13:50)
Mahonena!
kally ( 02/05/2005 20:38)
Hanameloka ve?Hitsetra ve?Onena koa... Te hampitraka... Ireo ny fihetsem-po mety homen'ny tononkalo.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Njaka
Nampiditra : jeroma
Daty : 26/11/2004 09:43
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144