ANY HO ANY MISY FO... (nofinofin'ny saina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any ho any misy fo, izay mitia mangina irery
Mivahivay tsy hay tohaina fa miandry anao hijery,
Na indray mitopy maso, mety angamba ahasitrana
Ilay ratra tonga fery ka hitambatra ho vitrana.


Any ho any misy fo, hianjadin'ny fahoriana
Fa mibaby ny tsizaka, mieritreritra ny tiana
Nandosiran'ny fiadanana, ka indro feno ny taraina
Dia miventso tonon-kira hoe:"any ianao ry sombiniaina".


Any ho any misy fo, izay mitady ny tadiaviny
Efa sasatra miandry ny olona ho tiaviny
Eo atsisin-dalana eo indro izy manirery,
Ka miandry anao hilaza sy ny vavanao hiteny.


Any ho any misy fo, tsy mahalala an'iza an'iza
Tsy mahafantatra ny hafa fa miadana famindra
Tonga falifaly foana, tsy mba manana mahory
'Nray andro any mbola ho hitany 'zany fiainan-tsorisory.


Any ho any misy fo, tsy mitsahatra miliba,
Tsy mahatsapa ny hiafarany, sy fotoana izay madiva
Tsy mahatsiaro ny fodiana, tsy tsy manembona ny hody
Mbola ho tsapany any aoriana fa ny tody no anody?

Nofinofin'ny saina
--------
Rohy:
2262 4
Hevitra mandeha
hjravs ( 18/06/2015 03:44)
Mahafinaritra 'lay aingam-panahy
andry 1000 ( 18/06/2015 04:01)
okay namana a! tsara be
tojoninofy ( 02/07/2015 17:27)
Misaotra rangah makasitra de nareo ko mitombo fahaizana e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : nofinofin'ny saina
Nampiditra : tojoninofy
Daty : 16/06/2015 15:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104