Hiala nenina (Nofy2)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
hiala nenina no ataoko an'ilay malalako iny
ka italahoko izy mba tsy hifanomezan-tsiny
ho anontaniako azy ny antony nandaozany ahy
ary hiangaviako izy tsy hatahotra fa ho sahy


ho lazaiko aminy eo "fa maninona? satria?
no nilaozanao ny foko fahadisoako ve sa tsia?"
asa nefa izay ambarany izy mety tsy hiteny
dia atao ahoana moa, sanatria ny hoe hanery

raha izay moa no mitranga, dia fodiana no ao an-tsaina
ka ny lasa ho hadinoina ary ny ho avy no andrandraina
mety koa hilaza izy fa efa any ilay anjarany
dia izao no havaliako azy "mahareta hatramin'ny farany"

hiala nenina no ataoko an'ilay malalako iny
sao dia misy vahaolana hiverenan'ny fahiny
fanantenana no atao be, finoana no atao matanjaka
ka atao am-pahatoniana raha tsy ho hety moa hatsahatra

Nofy2
06 Aout 2014
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2207 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : Nofy2
Daty : 02/09/2014 15:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109