You are here: home > Vetso

ilay zazavavy - Nofy2

Zazavavy kely, fito ambian’ny folo taona
Dia tsy mieritreritra fa manaonao foana
Mandripaka an-tanana tsy menatra fa sahy
Manao izay rehetra mety ho an-tratran-dry zalahy

Zipo fohifohy na pataloha tery
Manao izay hampisintona ny masonao hijery
Fandeha toa jilajila, fihetsika hafahafa
Raha toa ianao ka azony rehefa mba mitafa

Tovovavy jejo, manaitra ny filana
Ka hatramin’ny manambady no indro fa tsy tana
Izy tsy mifidy na firy taona ianao
Fa izay rehetra azony manao ny tsy fanao

Dia roboka daholo ny vatan-dehilahy
Vao maika izy jefy ary tena sahy
Izy aloha tsy ratsy na endrika na bika
Kanefa samy ananany na ditra na ny sipa

Misolosolo foana ny mitantan’ azy
Toa tsy asiany vidiny fa izy manalazy
Matetika iarahany ireo antitra efa sola
Satria ireny indrindra no tena manam-bola

Zazavavy kely tsy ampy taona akory
Dia indro fa miridana manao izay sitrapony
Tsy mihevitra ny ampitso izay hita fa ho simba
Angamba tsy misaina ny aretina mifindra

Koa saino sy diniho e!fa masina ny tena
Aleo re tsy lotoina e!ny ho avy no jerena
Ataoko fa efa betsaka izay rehetra vita
Ajanony re!ampy izay ny ditra

Nofy2 10 fev 2016

Hametraka hevitra

Midira aloha