Kristiana? (Nofy2)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
be milaza fa mpivavaka ary koa manao ny tsara
sady indray mitoriteny eny ambony alitara
manao ny tenany ho ambony, midera tena ho mahay
mirehareha, mieboebo nefa tsy mba arak’izay

resy lahatra ny maro ary dia nanaka-danitra
fa raha iny olona iny tena zanak’Andriamanitra
nefa any ambadika any revy, ditra, sy lanonana
dia manao ny tsy fanao rehefa tsy any am-piangonana

rehefa iny fa mandinika ka mijery an-dry anona
ireo milaza fa hendry, mitonona azy ho kristiana
dia mitompo teny fantatra fa izy masina aok’izany
nefa izany rehetra izany toa ivelambelany ihany

misy mihitsy aza moa ao an-tranon’Andriamanitra
zipo hatrany am-poto-pe ka mahatonga anao voasarika
misy koa ny be fialonana, mijery fiainan’olon-kafa
mba nanao ahoana lahy, rendrika ary ve sa tafa ?

ianao milaza fa dia mpino ary koa kristiana
ny toe-po sy ny toe-tsaina aoka mba ho tena vanona
sao hampihemotra ny hafa ho an’ny olona mahafantatra
aoka re mba ho modely sady tena ho filamatra


Nofy2 27 Mai 2016
--------
Rohy:
1276 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : nofy2
Daty : 04/05/2019 11:37
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01