Mampiahiahy (Nofy2)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Matetika isika rehefa miresaka
Dia avadikao ny foto-dresaka
Odinao tsy heno,odinao adala
Dia hoy ianao”avia ry malala”
Dia mihevitra ianao fa tsy mba tsaroako
Kanefa mipetraka ho ratran’ny foko
Nataoko ihany aho ny mba ho valiana
Indrisy ry tiako tsy norarahiana
Kanefa tsy nisy dikany izany
Raha niezaka ihany aho ny mba nanontany
Ny ezaka atao, he!very maina
Ianao ity jerena toa tena malaina
Resahako foana ny fanambadiana
Dia mody avadika ilay fanontaniana
“ny vola tsy ampy, ny asa tsy tsara
izany no mahatonga ahy misalasala
aleo ihany aloha andeha amin’izao
rehefa any aoriana hita ihany no atao”

dia izany foana no indro mba henoko
fa ny ato an-tsaiko tsy ambara fa hafeniko
fa mampiahiahy
no mampanahy
Nofy2
23 Mars 2006
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1164 1
Mpakafy: Nofy2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : Nofy2
Daty : 19/04/2014 13:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015