You are here: home > Vetso

Mandehana - Nofy2

Raha toa izay no tsapanao sy hitanao fa mahasoa
Mahamety ny amintsika, tsy mitana aho andriamatoa
Tsy mampaninona ahy mihintsy izay fanampahan-kevitrao
Aza mihevitra ny amiko fa izay tinao ihany atao

Izaho tsy hisakana akory na hanery anao izay tiako
Fa safidim-ponao ihany, ny fahasambaranao no iriako
Sanatria ny hoe hidrikina sy hanambitamby re!
Fa raha izay no mahatsara, soava-dia raha andeha

Izany akory tsy midika hoe tsy tiako akory ianao
Na tsy misy vidiny amiko ireo zavatra natao
Satriko sy teliko aza tsy hisaraka ny dia
Fa ataoko ahoana moa? Tsy antery ny fitia

Nofy2
13 Dec 2011

Sokajy : Fisarahana, Fitiavana

Hevitra mandeha

andry 1000 (12/05/2015 08:49:16)

marina tokoa 'zany...tsara le asa-soratra fa
aza miantso intsony,
adinoy ny anarany,
fafao ny ranomaso,
avelao ny tantarany,
fa izy efa lasa;
tsy hiverina intsony,
tsy azonao ilazana,
izay mety mampaory,
fantatro ianao,
eny tena tia,
fa izy lasan'olona,
miangavy aho : mivilia,

Nofy2 (19/05/2015 12:44:18)

mankasitrak!tena tsar!

Hametraka hevitra

Midira aloha