MARO NO NITIA (Nofy2)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny maro no nitia ka dia nanam-paniriana
Fa ilay malalany io no tena tiany ho vadiana
Nefa dia nivadi-kevitra rehefa injay nahita hafa
Tsy nisalasala akory fa adino teo ny lasa

Efa maro no nitia ka nivonona tokoa
Dia niseho ray aman-dreny fa hiroso izy roa
Nefa indrisy zava-poana fa nanda ny etsy an-daniny
He!tsy nisy vahaolana, rava teo ny fikasany

Tena maro no nitia tonga tamin’ny alitara
Ka nilaza ny tsy hisaraka na ho ratsy na ho tsara
Dia nivoadivoady mafy fa tsy voagejan’ny lalana
Taona vitsy no nisaina dia nanatri-pitsarana

Tena maro no nitia ka nahazo sombin’ny aina
Ka tsy hisy intsony fisarahana ninoninona sedraina
Resy lahatra ny maro fa izay vao ho mandrakizay
Toa tsy hitahita akory, nangorin’entana ny iray

Mbola maro no mitia ary mbola manantena
Fa tsy hisaraka intsony izay no tena fandresena
Ho foana hatreo ny fo maratra, rava koa ny fo tomany
Na izaho mpanoratra aza mba maniry tahak’izany

Nofy2
20 Mai 2014
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Fitiavana
2835 3
Hevitra mandeha
zamani.rvs2003 ( 03/03/2016 11:49)
ya, tena voapetrakanao tsara le hafatra!
Nofy2 ( 15/03/2016 20:34)
misaotr betsak!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : Nofy2
Daty : 25/02/2016 09:19
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151