You are here: home > Vetso

Mitovy isika - Nofy2

fa maninona ary izaho no ambara fa tsy rototra
ary mbola ampinao koa fa ny tenako no fositra
lazainao fa tsisy vidiny , tsy rarahiko izay niseho
aoka kely re rahavako, tsy hitanao ny nitranga teo

hoy ianao izaho tsy taitra toa tsy mba niraika akory
izaho anefa tena tezitra fa niezaka ny ho tony
nampanginiko ny ahy, tsy niteny, tsy nivolana
fa naleoko dia naboraka, nanazava ireo olana

haiko ianao fa tena tezitra ary tena nalahelo
izany no nahatonga ahy tsy dia hoe narahim-peo
izany akory tsy midika fa ilay izy hamavaniko
fa mbola feno ny fonao ka izay ho fihetsikao tsy ho tantiko

tiako fantatrao anefa fa izay tsapanao no tsapako
fa raha toa ianao voaratra, izaho koa manana ny ratrako
aza tsiniavina ny ahy na tsy niteny aza ny tenako
fa izaho tahaka anao ihany fa nampanginiko ny lelako

Nofy2 07 Mars 2017

Sokajy : Ady

Hametraka hevitra

Midira aloha