Ny taloha sy ankehitriny! (Nofy2)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sangisangy ilay fitia tamin’ny mbola vao niandoha
Ka noheverina fa ho fohy izay no masaka ao an-doha
Kanjo rehefa nihanandeha, nihanandroso ny fotoana
Nihamatotra tsy moramora, satry hifankahita foana

Tamin’ny izany ny hatsirony toa natsatsotsatso ery
Fa ankehitriny kosa mamy izany raha fitia
Raha taloha toa satry hody, tsy andry ery ny ho tafasaraka
Fa anio miova izany , raha ny tiana dia tsy hisaraka

Tamin’ny izany rehefa hihaona, dia nalaina be mihitsy
Dia madainga fa tsy afaka vokatry ny zava-misy
Mamorona izao sy izao atao maty paika tsara
Tsisy teny mibolila, tsy hahalalan’ilay malala

Ny tambitamby, rotsirotsy, ny teny mamin’ny fitia
Fahazarana ihany, ny avy ao am-po dia sanatria
Miseho ho tena saro-piaro sy sarotiny ery
Nefa fombafomba ihany amin’ny maha-mpifankatia

Eny izany ny fahiny, toa adidy no natao
Fa tsy misy ny fitiavana fa natao an-kilabao
Nefa izany rehetra izany nampitsiry tamin’ny izay
Ilay fitia vonon-kisedra ary ho mandrakizay

Nofy2
16 Avril 2012
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2436 1
Mpakafy: Nofy2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : Nofy2
Daty : 19/11/2015 11:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147