ny vady aman-janako (Nofy2)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ry Raiko ao ambony henoy re ny fivavako
raha toa ka sitrakao
topazo maso kely ny vady aman-janako
ho ampelantananao

tantano tsy hivaona hiala ny lalanao
na aiza no alehany
toroy sy ampianaro hanao ny didinao
fa Ianao no hianteherany

ireto ankohonako omeo ny fahendrena
sy hanam-pandeferana
hifankatia tokoa, hahay hanetry tena
na inona toerana

ny loza sy ny aretina ry Raiko mba sakano
tsy hihatra aman’aina
raha mafy ny fiainana, aoka mba tohano
fa Ianao no antenaina

ny asa sy fianarana ampio hazoto hatrany
ho mendrika tokoa
raha tojo ady sarotra mandrotsaka tomany
amboary ny ao am-po

fa tiako sy tsy foiko ny vady aman-janako
na ahoana na ahoana
aoka tsy hisy hanaisotra azy ireo eo an-tanako
fa hiaraka eny foana

Nofy2
22 Janvier 2018
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1268 2
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 25/05/2021 06:08)
martelle Nath, tsara le tononkalo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : nofy2
Daty : 04/05/2019 17:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103