You are here: home > Vetso

Rehefa - Nofy2

rehefa ny lehilahy
no ampy karakara
diniho ka jereo tsara
fa hatramin’ny any am-paosiny
tsy misy izay tsy raofiny
omeny anao daholo

ny sandry beny iny
hiarovan’ilay tiany
ny ditra sy ny etsetra
afoiny avokoa
fa izy tokam-po

kanefa mbola misy ihany ny adala
na feno tambitamby
mahazo safosafo
omena azy tsy miato

dia mbola mampirafy
mamono sy migafy
mihantsihantsy ady
mampijaly vady
kanefa dia lehilahy natera-behivavy
manana anabavy
dia sahy manitsakitsaka
midaroka, mamitaka
tsy mendrika ho vady

ka rehefa ny vehivavy
no atao tahak’izany
tsy omena fanajana
dia efa tsy tamana
ka aleony mitso-drano
mandao ny tokantrano


Nofy2 02 Avril 2019

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

andry 1000 (06/05/2019 05:04:38)

tsara loatra, sady marina

Nomena019 (06/05/2019 14:48:37)

Nofy ô! rehefa manoratra dia avaho ny teny baiko sy ny tena fanoratra : "Ny sandry be an'iny" kosa mba tokony hoe "Ny sandry beny iny" e. Faharoa manarak'izay, rehefa milaza hevitra ankapobeny dia filazam-potoana ankehitriny no fampiasa : "Ny ditra sy ny etsetra afoiny avokoa" (fa tsy hafoiny ...)
Misaotra antsika mandala sy manaja ny fitsipiky ny teny malagasy ary ny tsipelina.

nofy2 (08/05/2019 13:32:14)

mankasitraka ooo!!!misaotra am fanoron-kevitra!!

Hametraka hevitra

Midira aloha