You are here: home > Vetso

I NENY - Noëlson L. ANDRIANIAINA

Hafa ihany ianao ry neny
Ianao 'lay mba miteny
Mananatra raha sendra maditra
Tsy sasatra ny manoro isaky ny minitra
.
Ianao 'lay nitondra an_kibo sivy volana
Izay mba itarainako raha sendra olana
Nanome hevitra sy manoro amiko
Izay tiako sy tena mamiko
.
Neny mamiko indrindra eto an_tany
Tsy misy mahasolo anao izany
Voalohan'ny fitiavako amin'ny rehetra
Izay fitia tsy manampetra
.
I neny!Neny foana ianao
Na aty tsy mba mandao
Mahatsiaro anao isan'andro
Satria ianao 'lay nahitako masoandro

Sokajy : Fitiavan_dreny

Hametraka hevitra

Midira aloha