TANINDRAZAKO IANAO (Noëlson L. ANDRIANIAINA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tanindrazako ianao
Ry Madagasikara soa
Tsy haiko ny handao
Fa nahitako ny soa
.
Tanindrazako ianao
Satria hoe Madagasikara
Tanindrazako ka hatramin'izao
Ilay nosy gasikara
.
Tanindrazako foana ianao
Ka tsy avelako ho very
Ny mombamombanao
Na ny fomba amam_piteny
.
Tanindrazako malala
Ry nosy mamiko indrindra
Na maro ny mpankahala
Fa ianao tsy ho voafindra
--------
Rohy:
1241 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Noëlson L. ANDRIANIAINA
Nampiditra : Noelson ANDRIANIAINA
Daty : 15/06/2016 10:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157